<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>W.J. Kirkpatrick</author>
<title>Indro, Tompo, misy trano FFPM322</title>
<lyrics>[V1]
 Indro, Tompo, misy trano
 Izay namboarinay ho Anao,
 Angatahanay tsodrano,
 Itokananay ho Anao
 Tompo ô, mba hamasino
 Ho fihaonana Aminao,
 Ho tempoly tian'ny mino
 Fivavahana Aminao.

[V2]
 Diovy, Tompo, mba ho trano
 Izay hajaina ho Anao,
 Ka omeo sy itokano
 Mba ho fideràna Anao.
 Tompo masina ô, idiro
 Mba ho mendrika Anao
 Ka aoka Hianao ho jiro
 Izay hamirapiratra ao.

[V3]
 Mba tahio, ry Ray Mpitahy,
 Ho tempoly masinao
 Ho Betelan'ny fanahy,
 Vavahady ho Aminao.
 Itoero, mba ho kianja
 Mahamanina ny fo,
 Mba ho trano mendri-kaja,
 Mampivavaka ny fo.

[V4]
 Mandrosoa ka midira
 Ho mpanjaka tokana ao
 Ka ny vavaka sy hira
 Mba tahio ho sitrakao,
 Nefa tsy ny trano ihany
 No atolotray, ry Ray,
 Indro koa mba itokany
 Ho Anao ny tenanay.</lyrics>
<hymn_number>322</hymn_number>
</song>